<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Jeso no Sakaiza tena tia anay FFPM511</title>
<lyrics>[V1]
 Jeso no sakaiza tena tia anay,
 Izy ta-hamonjy olombelona ;
 Aoka ho tiantsika ny
 Mpanavotra,
 Fa Izy no Sakaiza
 mahateho tia.

[V2]
 Jeso no Sakaiza ifaliana,
 Izy nahafoy ny voninahitra,
 Mba hananantsika fanavotana
 Sy handraisantsika
 ny fiainana.

[V3]
 Jeso no Sakaiza itokiana,
 Izy mahavaly sy mahanatra ;
 Aoka hinoantsika
 ny Mpanavotra,
 Hahazoantsika fiadanana.

[V4]
 Jeso no Sakaiza ivavahana,
 Izy mahavonjy ny
 Mpangataka ;
 Aoka hinoantsika ny
 Mpanavotra,
 Mba handraisantsika
 fanampiana.

[V5]
 Jeso no sakaiza fiarovana,
 Izy maharesy ny mpanohitra ;
 Iza no hanimba izay arovany ?
 Aoka hisaorantsika ny
 Mpanavotra.

[V6]
 Jeso ô, Sakaiza ! raisonao
 izao
 Ny fisaoran-tsara izay
 atolotray ;
 Izahay mpanota te-hidera
 Anao,
 Raiso re ny dera izay
 aterinay.</lyrics>
<hymn_number>511</hymn_number>
</song>